Valin’ny MICS faha-6 (2018) Madagasikara
Enquête nationale sur la situation socio-démographique des ménages (MICS)
Ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-demografikan’ny tokantrano dia mbola marefo hatrany eto Madagasikara. Izany no nivoitra voalohany tamin’ny valin’ny Dinidinika momba ny fiaimpiainan’ny ankohonana (MICS) notanterahina tamin'ny taona 2018.
Tao aorian’ny telo volana sy tapany nantontosan’ireo olona 180 (mpanao fanadihadiana sy mpitarika ny ekipa)ny fanangonana akoram-pahalalana teny ifotony (tapaky ny volana aogositra ka hatramin'ny faran'ny volana novambra 2018) dia toy izao ny valiny misongadina mikasika ny lohahevitra samihafa sy ny fari-piainan’ny tokantrano malagasy:
- Eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, amin'ny zaza teraka soa aman-tsara 1.000, 21 no maty mandritra ny iray volana voalohany; 40 no maty alohan'ny fahaerintaonany ary 59 no maty alohan'ny faha-5 taonany..
- Eo amin’ny resaka fanjariantsakafo, zaza latsaky ny 5 taona iray amin’ny roa dia tsy mitombo ara-dàlana, izany hoe kely loatra raha mihoatra amin’ny taonany.
- Raha ny fampianarana indray no asian-teny, voalaza fa ankizy 6 ka hatramin'ny 10 taona iray ao anatin’ny dimy ary ankizy 11 ka hatramin'ny 14 iray ao anatin’ny telo no tsy mandeha an-tsekoly. Ankoatra izany, ankizy 5 ka hatramin'ny 17 taona iray amin’ny roa dia efa miasa.
- olona iray amin'ny ankizy dimy ka hatramin'ny 6 ka hatramin'ny 10 ary iray amin'ny ankizy telo amin'ny dia tsy ao an-tsekoly. Ankoatr'izany, iray ao anatin'ny zaza roa 5 ka hatramin'ny 17 taona dia efa miditra amin'ny karazana asa sasany.
- Ny antsasaky ny mponina dia tsy mbola manana loharano nasiam-panamboarana ary olona roa ao anatin’ny dimy dia mbola mangery ankalamanjana.
Ny valin'ity dinidinika ity dia manaporofo fa mbola lavitra ny lalan'i Madagasikara amin'ny fanatanterahana ny Tanjonan’ny Fandrosoana Lovainjafy (TFL) amin'ny ankapobeny ary ny tanjona manokan’ny firenena.
Ampahatsiahivina fa ny MICS farany teto Madagasikara dia notanterahina ny taona 2012 ary tany amin'ny faritra efatra any atsimo ihany. Ity fanadihadiana tao anatin’ny dimy taona ity dia notontosain’ny INSTAT tamin'ny volana Aogositra 2018 tao anatin’ny fandaharanasa maneran-tany momba ny fanadihadiana MICS homban’ny tantsoroka ara-teknika sy ara-bolan’ny UNICEF, ny Banky Iraisam-pirenena ary ny tsanganasa amerikanina ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), teo ambany fanaraha-mason'ny Komity Mpanolotsaina sy niaraha-niasa akaiky tamin'ny Komity Teknika izay natsangana manokana.
Ity fanadihadiana ity dia natao indrindra mba hanombanana ireo fambara fototra ampiasaina amin'ny fanombatombanana ny zava-misy iainan'ny mponina, indrindra ny zaza amam-behivavy. Ho fanampin'izany, ahafahana mandrefy ireo famarana momba ny fanatrarana ny TFL ihany koa izy io ary ilaina amin’ny famolavolana ny drafi-pivoaran’i Madagasikara sy ny politikan-tsehatra manaraka azy. Voazarazara isaky ny faritra, ny taona, ny toeram-ponenana ary ny lahy sy vavy ny valin’ny fanadihadiana.