MICS 6 (2018): Famintinana ny valin’ny fanadihadina

Famintinana ny valin’ny fanadihadina - Aogositra, 2019

Mahakasika

Ny fanadihadina isam-bondrona mahasahana tondro maro (MICS) dia notanterahin’ny Ivo-toerana misahana ny Antontan’isa (INSTAT) tamin’ny taona 2018 ao anatin’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena MICS. Ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) dia nanome tosika ara-teknika tamin’ny fanatanterahana izany. Nandray anjara tamin’ny famatsiana ara-bola kosa ny UNICEF, ny Banky Iraisam-Pirenena, ny USAID ary ny Famatsiam-bola avy amin’ny Governementa Zaponey ho fampiroboroboana ny fanjariantsakafo (SUN).

Ity tatitra ity dia mampiseho ny vokatry ny fanadihadina MICS 2018. Ny tatitra feno sy ireo antontan’isan’ny fanadihadina dia azo jerena ato: https://mics.unicef.org/surveys.

Valin’ny fanadihadina

Teto Madagasikara dia niara-dalana tamin’ny Fanisana Ankapobeny ny Mponina sy ny Toeram-ponenana (RGPH-III) sy ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fanatanterahina ny fanadihadina teny amin’ny tokantrano tamin’ity MICS 2018. Na izany aza anefa dia ambony ny taham-pandraisana anja (98 % teo amin’ny tokantrano, 91 % ho an’ny vehivavy, 85 % ho an’ny lehilahy, 96 % ho an’ny ankizy latsaky ny dimy taona ary 96 % ho an’ny ankizy dimy ka hatramin’ny 17 taona) noho ny fanentanana natao tamin’ny haino aman-jery, tamin’ny peta-drindrina ary ny fanentanana ifotony teny anivon’ny fiaraha-monina.

Momba ny tokantrano sy ny mponina

Tokantrano efatra amin’ny dimy no manana lehilahy ho lohany. Ny tokantrano iray dia ahitana olona 4,5 amin’ny ankapobeny. Azo lazaina fa tanora ny Malagasy satria ny antsasaky ny mponina dia latsaky ny 18 taona, 43 % dia latsaky ny 15 taona ary 15 % dia latsaky ny dimy taona.

Ny mao an’isa amin’ireo lehilahy (58 %) sy vehivavy (63 %) nohadihadiana dia manambady na miara-monina amin’olona ka mifampitondra ho toy ny mpivady. 38 % ny lehlilahy ary 24 % ny vehivavy kosa no tokan-tena, izany hoe mbola tsy nanambady na niara-nitoetra tamin’ny olona ka nifampitondra ho toy ny mpivady mihitsy.

13 % ny ankizy latsaky ny 18 taona no tsy miara-mipetraka na amin’ny ray na amin’ny reny niteraka azy, ny 16 % amin’izy ireo kosa dia miara-mipetraka amin’ny reny niteraka fotsiny ary ny 4 % dia miara-mipetraka amin’ny ray niteraka fotsiny.

Haino aman-jery sy teknolojia amin’ny fampitam-baovao sy serasera

Mbola vitsy an’isa ireo lehilahy sy vehivavy mampiasa ny haino aman-jery. Ny vata fandraisam-peo no mitana ny laharana voalohany ary ampiasain’ny antsasaky ny lehilahy sy ny vehivavy 15 ka hatramin’ny 49 taona. Ny ampahefatr’izy ireo ihany kosa no mijery fahitalavitra ary olona 15 ka atamin’ny 49 taona iray amin’ny folo ihany no mamaky gazety an-tsoratra.

Etsy an-daniny, ny antsasaky ny tokantrano (52 %) dia manana finday ary ny antsasaky ny olona 15 ka hatramin’ny 49 taona dia mampiasa izany avokoa, mitana ny laharana voalohany amin’ny fitaovan-tsearasera noho izany ny finday.

Etsy an-kilany kosa dia 5 % ny tokantrano ihany no manana solosaina ary tokantrano iray amin’ny folo ihany no afaka mampiasa aterineto. 8 % ny olona 15 ka hatramin’ny 49 taona ihany no mahay mampiasa ny solosaina.

MICS 2018

Misy rakitra azo alaina