KOICA - UNICEF: Manatsara ny fiainana syn y hoavin’ny tanora eto Madagasikara

Amin’ny alàlan’ny fanomezana tolotra ilaina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fiarovana

Jeunes bénéficiaires du programme Lifeskills dans le Sud de Madagascar
UNICEF/UN0438336/Ramasomanana

Mahakasika

Ny  Fanjakana  Koreana  sy  ny  UNICEF  dia  miasa  ho  an’ny  ankizy  eto  Madagasikara  mba  hanatrarana  tontolo  ara-drariny,  marina  ary  maharitra  kokoa.  Amin’ny  alàlan’ny  fiaraha-miasanay  ao  anatin’ny  tetik’asa  fampiroboroboana  ny  zazavavy  tamin’ny  ny  taona  2017-2021,  dia  nanentana  fiarahamonina  izahay  mba  hampiroborobo  ny  famongorana  ny  fanavakavahana  ary  nanohana  tovovavy  mba  hahatonga  azy  ireo  ho  mpitondra  fiovana  sy  hahafahany  maneho  feno  ny  fahafaha-manaony.  Ny  fanambarana  hery  amin’ny  sehatra  maro  dia  nampivoatra  ny  fahavitan’ireo  zazavavy  ny  fianarany  eny  amin’ny  sekoly  ambaratonga  faharoa,  nampitombo  ny  fahalalany  momba  ny  fahasalamana  ara-pananahana,  nanitatra  ny  fisitrahana  fitsaboana   ara-pahasalamana   tsara   kalitao   sy   ho   an’ny   tanora   ary  nanamafy  orina  ny  tolotra  mahakasika  ny  fiarovana  amin’ny  herisetra.  Amin’izao  fotoana  izao,  ny  zazavavy,  ny  fianakaviana  ary  ny fiarahamonina dia samy mahafantatra ny zony avy, ary nanova ny fitondrantenany mba  ahafahana misoroka ny fanao mampidi-doza, toy ny fanambadiana aloha loatra sy ny vohoka aloha loatra.