Ny tanora dia mizara ny hetahetany sy ny tolo-kevitr’izy ireo momba ny politikam-pirenena mahakasika ny tanora, izay mifototra amin'ny fakan-kevitra mivelatra.

01 Janoary 2024
Officialisation de la consultation nationale des jeunes
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana

Antananarivo, 1 desambra 2023 – Ireo tanora Malagasy dia nizara ny famakafakana nataon’izy ireo sy ny tolo-kevitra narosony mikasika ireo lafin-javatra fito laharam-pahamehana toy ny fanabeazana, ny fandriampahalemana sy ny filaminana, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mba hampidirana izany ao anatin’ny politika mahakasika ny tanora, izay notanterahana anio teny Anosy. Izany fomba fijery izany dia nivoitra avy amin’ny fakan-kevitra mivelatra teny anivon’ireo tanora, izay notontosain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, niaraka tamin’ny fanohanan’ny UNICEF, nandritra ny taona 2023. Ireo lohahevitra ireo dia mahakasika ireo fanamby lehibe tokony hatrehana, izay iantsoan’ny tanora fanohanana misimisy kokoa avy amin’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Tanora maherin'ny 1.770, izay ahitana tovovavy ny antsasamanilany, no nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny faritra sivy teto amin’ny nosy, mba hifanakalozana sy hizarana ny zavatra andrasan’izy ireo, ny ahiahiny ary ny zava-kinendrin’izy ireo ho amin'ny taona ho avy. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana dia hita fa tanora telo amin’ny 10 no voatery miala an-tsekoly noho ny tsy fahampian’ny fahafahana ara-bola; ary na dia efa nandia fianarana aza dia maro amin’izy ireo no sahirana amin’ny fitadiavana asa. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, mahatsapa sakana eo amin’ny fisitrahana ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy tsy fahatomombonana eo amin’ny fahazoana vaovao momba ny tolotra ara-pahasalamana ireo tanora. Ary eo amin'ny resaka fandriampahalemana sy filaminana kosa indray dia ny fahantrana (63%), ny tsy fisian'ny asa fampidiram-bola (55,8%) ary ny fandraisana rongony sy zava-mahadomelina (26%) no fototry ny tsy fandriampahalemana voatonona matetika.

Hita ihany koa fa mangetaheta fandraisan’andraikitra ireo tanora ary maniry ny ho mpandray anjara amin’ny fanovana izy ireo mba hanatrarana ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra 2030. Koa satria ny tanora dia maniry ny handray anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fandrafetana politika sy fandaharan’asa mahakasika azy ireo dia efa misy 27% eo ho eo amin'izy ireo no efa  mandray anjara amin’ny fivoriam-pokontany, raha toa 38% kosa no manana sehatra hanehoan’izy ireo hevitra.

Maneho ny feo sy ny hetahetan’ny tanora Malagasy ny vokatr’ity fakan-kevitra ity. Izany dia natao ho toy ny vato fehizoro amin’ny fanavaozana ny tetik’ady nasionalin’ny FANOITRA ho an’ny fampivelarana ny tanora sy ny fanovana eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alàlan’ny tanora eto Madagasikara. Tena vonona  izahay ny hamadika ireo vokatra ireo ho hetsika mivaingana mifanaraka amin’ny filàn’ireo tanorantsika sy hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana azy ireo”, araka ny voalazan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, André Haja Resampa.

Ny Solontenan'ny UNICEF Christine Jaulmes dia nanamafy ny fanoloran-tenan'ny UNICEF hiara-hiasa amin'ny tanora sy ho an'ny tanora. “Ny UNICEF dia nanohana ity hetsika ity satria ho anay, ny fitsipiky ny fandraisan'anjaran'ny ankizy sy ny tanora dia zo voarakitra ao amin'ny Fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny zon'ny ankizy, izay andraikitra sahanin’ny UNICEF ny fampiroboroboana azy. Izany vina izany dia hita taratra ao amin'ny paik’adin’ny UNICEF manerantany izay mamporisika ireo hetsika mikendry ny fandraisan'anjara fenon’ireo zatovo sy tanora amin'ny maha- tompon’andraikitry ny fanovana eo amin'ny fanatanterahana ny fandaharan’asanay azy ireo,” hoy hatrany izy.

Officialisation de la consultation nationale des jeunes
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana
Officialisation de la consultation nationale des jeunes
UNICEF Madagascar/2023/Andriantsoarana

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram