Malaza eny anivon’ireo fokontany ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza
« Navelako avokoa ny asa eny an-tsaha rehetra tokony nataoko androany mba nahafahako nandeha aty , » hoy i Dimache, 46 taona ary manan-janaka efatra, izay efa lehibe ny roa ary mbola mianatra ny roa. Tamin’io andro io tokoa mantsy no notanterahina tao amin’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) Mahambo, any atsinanan’i Madagasikara, ny fiofanana…